RAFAHAFAHANA (Domoinakwely)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha oviana vao afaka ny ketoky ny jaly ry malagasy namana?
Ny famonoana nataon'ireo frantsay ka tsy nisy fanavahana
'zay nandratra sy tsy laitra ka tandremo ihany re!
fa mbola azonay ianao ndray andro ka sao dia hanenina r'ise!
Aiza re ty fahafahana toa tsy hita hatramin'izao
Mahagaga anefa ankehitriny fa toa resy an'ady izaho sy ianao
Ry tanora mba mihetse sao dia ho very isika
fa efa difotra sy tsy hita ny tantara izay nandrika
Ka mba tadiavo ko re ty fahafahana izay tokony hananana
fa toa lasa fonja tsy hay vahàna, fa misy mpiambina isam-baravarana
Ry fahafahana nahoana dia nataonao toy izao izahay
nga raha hoe mahantra dia ataonao tsy mahita ny masoandronay.
Ka raha mbola eto koa ny tanora dia tsy maintsy havotana
fa ny fahafahana no nokarohina ka tsy maintsy hita satria hifanakonana.
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
883 1
Fans: radisam
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Domoinakwely
Inséré par : radisam
Date : 18/02/2013 16:10
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139