REHEFA LASA AHO… (Douces Pensées)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
REHEFA LASA AHO…

Rehefa lasa aho rahatrizay,
Tiako raha ilay fotoana mamy niarahantsika
No tavela ao an-dohanao, toy ny masoandro mibaliaka.

Rehefa lasa aho rahatrizay,
Aza avela hisy hijanona akory
Ireo adiadintsika, sy izay mety nampahory.

Rehefa lasa aho rahatrizay
Tsarovy ry malalako
Fa ianao, ary tsy misy afa tsy ianao irery no fototry ny fitiavako.

Rehefa lasa aho rahatrizay
Ilazao ilay ho soloko
Mba hanome anao mihoatra lavitra noho ilay natolotro.


17/12/2012
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1360 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Douces Pensées
Inséré par : doucepens
Date : 21/01/2013 10:31
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0179