HO ANAO (ELIDERA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho anao : vady sy ny zanako rehetra;
ny tenako, ny heriko, ny ahiko tsisy fetra
no itolomako, iadiako, iasako
hahasambatra anareo no fikasako.

Ho anao mpampianatra sady mpanabe
no iaretako ny mafy, ho rehareha,
mpitari-dalana mahay sy mpanilo,
ny fanabeazana tomombana, matsilo.

Ho anao mpianatra maniry te hisondrotra
hanalana ny habadoana mba ho fongotra
no iasako andro alina, tsy manindao.

Ho anao dia ho anao ry Gasikara
mba ho vanona, tontosa tsara zara
no iaretako roampolo taona izao.

ELIDERA
03/07/05 - 10:50
Mandrosoa Ivato
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
1225 1
Fans: soaszz
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ELIDERA
Inséré par : soaszz
Date : 27/02/2007 14:12
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131