Mila ezaka (Faby Ratsimba)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny lalan-ko diavina
Dia mila ezaka
Ezaka izay hampandroso lalina
Mba tsy hampiverin-dalana na koa hampitolefika

Ny sampatsampana tsy maintsy misy
Ny manalokaloka tsy maintsy ho dify
Fa ny tanjona dia ny ho tonga
Na dia lavidavitra be kitohatohatra amam-bonga

Tombon-dahiny ny fananana foana fiaretana
Sy ny hery, saina matsilo
Mba tsy ho diso ny feo ny fieritreretana
Rehefa mizotra ka tratran'ny tsilo

Mila ezaka noho izany ny zavatra rehetra
Na amin'ny lafiny inona na inona
Fa ny tena atao tarigetra
Dia ny ho tafita tsy hay tohìna
--------
Lien:
Catégorie : Marsa 2024 - Fananarana
165 2
Fans: Fihary01 - Faby97
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Faby Ratsimba
Inséré par : Faby97
Date : 10/03/2024 07:08
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0196