IZAHO IHANY ... (Fanhaiky)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izaho tokoa, inyIzaho ilay namanao fahiny,
Mbola nahatsiaro anao ankehitriny,
Saingy niova aho, hoy ianao
Toa lasa vitsy teny,
Tsy toy ilay taloha,
Toa mitokatokana eny,
Toa tsy te-hiasa loha,
Niova aho, hoy ianao,
Tsy toy ilay fahiny,
Fa toa olom-baovao,
Fomba fijery, toa masiaka
Fomba fiteny toa midika
Fa leo fiarahamonina,
Ka toa te hitoka-monina,
Saingy, izaho ihany iny
Izaho ilay namanao fahiny,
Tsy niova tsy akory,
Fa nandalovan-tsorisory
F’izaho mahatsiaro anao hatrany,
Ary tsy hitoka-monina,
Fa eo akaiky eo ihany.
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy