TAFATOETRA ILAY FITIAVANA (Fo mitempo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nihazakazaka ny fony, nanenjika etsy sy eroa;
Novonjeny avokoa ireo fitia nitodika aminy;
'Zay nitopazan'ny fijeriny ka nahafinaritra ny masony
Dia nitoriany fitiavana satria nampisy fihetseam-po.

Nizarazara tamin'ny fo maro teny ny fitia tao anatiny
Notsetsafiny, nangoniny avokoa ireo mamy nandalovana
Nandehandeha tokoa ilay fony, nivenjivenjy ny fitiavany
Na ny ankavia na ny ankavanana tsy nisy tsy nataony ho namana.

Injay raha nifanojo taminao fa solafaka ny fony
Resy babo teo ilay fitiavana ka nivalona ho tokana
Tsy naha vezivezy intsony fa nitoetra ho anao manokana.

F'ilay fitsikinao sy 'lay endrikao no najary lalan-tokana
Nizoran'ireo fiheteam-pony,niantefan'ny fitiavany,
Ka tafatoetra ho an'olo-tokana ilay fo nisampantsampana.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1345 1
Fans: miha
Commentaires
mimisou ( 01/03/2007 08:42)
Tsara, hafa ihany izany hoe tia olon-tokana izany
la ( 25/09/2007 07:39)
Sambatra izy an! iray no tiny hihihi
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Fo mitempo
Inséré par : miha
Date : 28/02/2007 13:14
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145