Fiainana modely (Haingo Tia)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tamin'ny mbola kely mitovy ny saranga
Samy miosina avokoa rehefa mihinana manga
Iraisana daholo ny zavatra rehetra
Tsy hita tamin'izany ny haratsian-toetra

Ekeko nisy ihany ireo miseho ho mafy
Maherihery setra sy tia migafigafy
Nefa izy ireo no mpiaro rehefa ilaina izany
Mitsinjo ireo kanosa izay mora mitomany

Tsy misy ny fepetra isafidianana namana
Ny firaisankina no ambony noho ny firazanana
Ny tena mahagaga toa mahay miaraka eny
Na dia tsy mifankahalala sy samihafa fiteny

Valala iray ifanapahana, toa marina tokoa
Rehefa mba mizara, mahazo avokoa
Efa misy mari-drefy izay toa kidaladala
Samy mahazo ny anjarany, tsy misy tombo sy hala

Tsara ho fianatra ny fiainan'ny ankizy
Izay mety ho vahaolana manoloana ny krizy
Tsy misy ambony sy ambany, iray ihany ny tena
Raha tsy afaka ny akama, mba ampiakaro ho babena
--------
Lien:
Catégorie : Eritreritra mandalo
741 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Haingo Tia
Inséré par : HaingoTia
Date : 03/10/2015 07:35
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133