Fiononana (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny bika leitsy ananany a,
Ny tsikiny dia lafatra
Fa ny rantsan-tanany
No efa misy hafatra
Dia pera-bolamena
No efa manambara
F'efa vita fanekena
Izy iny, ka voarara.

Efa_ela, leitsy, izy iny
No mba notsiriritiko a
Fa meva tsisy tsiny
Kanefa tsy voasintoko
Raha ny tena marina
Tsy niangaviako akory
Iriko angalarina
Fa tsy ahitako tory.

Kanefa, leitsy, inoako
Fa tena fahoriana a
Ny tia an-tsokosoko
Kanefa tsy mba tiana
Ka hiezaka aho hamoy
Ilay sombina tantarako
Ny fiainana mitohy
Andrasako ny anjarako.

Harylovah[121016]
--------
Rohy:
1535 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 25/10/2016 15:14
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.01