NY FINOANA (harylovah)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny finoana ihany
no ahafaha-mitazana
'zay misy nefa tsy_hita...

Ny finoana hatrany
no miady ny ady mazana
rah' tiana ny ho tafita...

Ny finoana miaina
no entina manohitra
'reo sakana mateza...

Finoana no antenaina
hamindra tendrombohitra
be mangezaheza...

Ka MINOA androany!

HARYLOVAH [Nov 2012]
--------
Rohy:
1569 0
Hevitra mandeha
harylovah ( 07/01/2013 10:33)
Toy ny tendrombohitra ny olana manjo antsika, manjo ny firenentsika, fa rehefa iainana ny finoana dia azo atao ny manala, na manamaivana izany fara fahakeliny... ka minoa androany! Mirary Taona feno fanantenana ho antsika rehetra a!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : harylovah
Nampiditra : harylovah
Daty : 07/01/2013 10:29
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141