ANY HO ANY (Henipitia)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ho any misy nofo
Toa tsy handairan’ny hirifiry
Tsy mba miova, tsy mba miofo
Na tsy tò aza ny faniriany

Any ho any misy saina
Mitraka hatrany tsy mba reraka
Na nanjavona aza ilay nantenaina
Indro izy tsy mifezaka

Any ho any misy aina
Tsy mety maty manantena
Manan-javatra andrandraina
Mino foana fandresena

Any ho any misy fo
Mahay manaiky ny anjarany
Kanefa manantena koa
Fa tsy maintsy hisy farany

Hisy farany ny fahoriana
Hitony koa ny harerahana
Ka ho tò ny faniriana
Hivaly ireo izay nisasarana

Ka fanantenana vaovao
indray no hiainany amin’ny ho avy
Handresy amin’ny rehetra hatao
Ireharehan’ny mpianakavy


Ireo toetra ireo no nanesika ahy
Nandona izany foko hiantoraka tsy nahy
Nefa rehefa eo ianao, indro aho toa manahy
Te hiresaka aminao, nefa miahotra tsy sahy

Dia naleoko nokobonina, nafenina
Naleoko nampanginina tsy ho hitanao intsony
Ilay fitiavako efa zary saika nanantena
Satria ianao tsy nahalala ny fisiany akory
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1243 0
Commentaires
henipitia ( 29/05/2010 05:47)
Tononkalo nosoratako voalohany hahatsiarovana namana iray tsy foina sady tiana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Henipitia
Inséré par : henipitia
Date : 29/05/2010 05:46
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134