TSIARO NAHAHENDRY (Henipitia)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nofarako androany ilay “tsiaro”
Teny iray namintinako ny tononkalo
Avaloko anio ny tantarany
Fa ny anjara niainana azy efa vita hatramin’ny farany

Tsiaro, tononkalo mifono misitery
Tsy hazavaiko an’iza an’iza fa aloe ho ahy irery
Saingy kosa omeko anao ny soratra raketiny
Satria ianao no namorona ny lohateny nentiny

Tsiaro nahahendry satria niezaka nanitsy
Ny lalako nivily nitady izay tandrify
Tsiaro nahahendry nahafantarako anao
Nikoloko ilay fitia tao anaty tao

Tsiaro nahahendry nampitodi-doha
Hibanjina ny ho avy hanamboatra fo
Hanankina amin’ny Avo, ny mety ho fianana ety
Hiezaka hitraka, tsy hitanondrika satria:

Mbola misy Ilay Tsitoha izay manome hery
Tsy mamela irery fa miaro sy mijery
Raha tojo fifaliana Izy tena tsy mandao
Raha sendra fahoriana Izy no eo anilanao
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1144 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Henipitia
Inséré par : henipitia
Date : 29/05/2010 05:49
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013