Ho tapitra . . . (Herimec)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ho tapitra ny amiko satria tonga ny fotoana,Ka ho levona avokoa ireo rehetra manoloana;
Ny tenako mihetsika, ny vatako mijoro,
Ho potika sy ho lo fa izay angaha no toro.
Ho tapitra ny amiko fa izay ny fandaharana,
Fetra ho an'ny aiko, safidy izay hiakarana;
Ka handao 'ty tany, ity tanim-pijaliana,
Veloma ho doria, ry sakaiza ry olon-tiana.
Ho tapitra ny amiko, ka veloma sombin'aina,
Veloma ianao, mahereza ka fafao ny taraina;
Lanio ny ranomaso fa ny ampitsonao indray,
Fenoy haravoana, fifaliana mandrakizay.
Ho faranako ny soratra ka veloma ry fitia,
F'efa tapitra ny amiko hanao veloma anao akia;
Eny ! mahereza sombin'aiko mahereza foana foana,
Mahereza fa aza kivy fa izay ilay fotoana.
Herimec, Antsiranana, le 26 Octobre 2010
--------
Lien:
Catégorie :
Fahafatesana
Commentaires
Herimec
(
26/10/2010 14:06)
Manam-pitsaharana ny zava-drehetra ka aza sodoka tsy hitsinjo ny rahampitso ianao, fiononana ihany koa ary faherezan-tsaina no ataovy matanjaka.