'lay ''nofiko'' (herytina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
‘LAY NOFIKO



Fony aho mbola irery, Niaina tanaty rofirofy;

No indro ianao fa niserana, Ka vao maika aho nanonofy!



Kinanjo indray hariva izay, injao ‘lay nofy fa tanteraka;

‘Nga moa nisy nanam-po, nofinofy iray no teraka.



Tohana, zara sy tsiky, ‘ty nofy izay niainantsika;

Hasambarana mifono nofy, no ê fa nandramantsika.



Namisavisa aho ka nikasa, ‘lay nofy mba ho mafy;

Dia nandrindra, dia nibanjina, ity nofy mamy ho fitafy.



Hay ka nofy mora ritra, nofinofy revin-jaza;

Ka ny hetaheta tao, Dia mbola nofy tsisy laza.



Notinapaka, nofy-revy, Iny nofi-nofoko iny;

Ho tohizako irery, Ilay “nofiko” fahiny.



Hery Tina (19 jona 2011)
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
905 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : herytina
Inséré par : herytina
Date : 22/06/2011 09:23
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131