IZY (Imbolatiana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izy no olon-tiako, hany tiako eto an-tany
Hanorenako ny fiainako na ho tsiky na tomany
Nisotroako ny mangidy, niaretako ny mafy
Nefa tsy nampiova akory ilay dina mandra-maty

Nafoiko ho azy avokoa, fo, tena sy fanahy
Ny fitiavako, ny heriko ary izay rehetra ahy
Mba hanaporofo marina fa azy ny amiko rehetra
Ary ny fitiavanay dia ho doria, tsy ho voafetra

Nisy ihany ny fotoana izay saika naharendrika
Ny foko tao anatin'ny fakam-panahy maro
Nefa izao vao tena tsapako fa izy irery no hany mendrika
Ka ny sisa dia inoako fa fitiavana mandalo

Ankiniko eo an-tananao ry Raiko be fitia
Ny fitiavanay izao mba tsy ho solafaka ny dia
Raha ny amiko aloha dia efa vita ny safidiko
Ho eo anilany hatrany, ilay tokana efa nofinidiko
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
990 0
Commentaires
lewinski ( 14/07/2014 23:17)
Tsara be!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Imbolatiana
Inséré par : Imbolatiana
Date : 11/07/2014 15:04
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149