RAHOVIANA? (Imbolatiana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fenofeno ny ato anatiko, ny alahelo no misosoka
Manimanina ny lalana niarahana nizotra
Toy izao tokoa mantsy, efa an-taona maro lasa
Ilay isika nifamihina, f’ilay fitia niorim-paka
Toa tsy nahatsiaro akory fa mbola hisy fiafarany
Ilay fifankatiavantsika, ilay nofinofy mamy
Eny, na dia efa fantatra hatrany am-piandohana
Fa tsy anjara ilay fitia, satria efa noraràna
Dia nataontsika avokoa izay rehetra azo atao
Hanafoanana ny lasa, saingy indrisy … hatramin’izao
Na dia efa olon-kafa no mitantana ny tanako
Eny, mbola hafa ianao izay no tsy afaka ao am-bavako
Diso aho, tena meloka, anatrehan’ny fitiavany
Nefa tsy niniako izany, te handositra ny tavany
Omeo hery aho Ray o! hanadinoako ny taloha
Aza avela hitoetra intsony, tsy hiraikitra ao am-po
Rehefa sendra tafahaona eny an-dalana eny isika
Ireo masonao mijery ahy toa misy hevitra miampita
Manameloka ahy angamba? Nefa raha mba fantatrao
Fa mbola tsy afaka ao an-tsaiko izay rehetra momba anao
Mino aho f’indray andro any, ho adinonao ny amiko
Izaho koa tsy ahatsiaro intsony ka hiongotra ato anatiko
Ny fahatsiarovana anao, ho maty, tsy hifoha intsony
Ho sambatra aho eo anilany, ny alaheloko hitony

NEFA RAHOVIANA IZANY ??? …………….
--------
Lien:
Catégorie : Hanina - Fiononana - Fitiavana
1063 1
Fans: lonlee
Commentaires
lewinski ( 21/07/2014 09:30)
Tsar b!
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Imbolatiana
Inséré par : Imbolatiana
Date : 19/07/2014 07:46
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
IZY
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135