Tiako raha toa ka... (Jean honore)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako raha toa ka ianao
no ho antsoiko isan'andro hoe malala
tiako isika tsy mba hifandao
samy tia tsy mba misalasala

nihiratra ihany ny masoko
tsy nahita hafa aho anefa
f'ianao no hany tanatiko
nambabo ny foko rehetra

an'arivony raha kely indrindra
ny tsara izay hitany masoko
f'ianao kosa niavaka indrindra
nanaitra ny fo tato anatiko

toa afo mirehitra mavaivay
ny fitiavako anao ry malalako
hitoetra amiko mandrakizay
hitsilo hanazava ny lalako

faly ity foko satria
tafaray izaho sy ianao
samy manana fo samy tia
mbola miaraka ha@ izao
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
759 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Jean honore
Inséré par : ratovonirianajeanhonore362
Date : 03/01/2019 09:42
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146