FAHAZAZA (Jean Jacques RABEMILA)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahiny, fahazaza, raha tany ambanivohitraMiara-mikarenjy amin'ny fody sy sorohitra ;
Miaraka mifoha amin'ny fitatra sy goaika
Ka mifarimbon'asa amin'ny mpiasa tany maika ;
Rehefa antoandro ny andro, mila tsy hahomby,
Ilaozana ny angady, dia lasa miandry omby,
Ka manariva andro mamandrika kibobo,
Papelika, tsipoy, anaty lobolobo ;
Na raha tsy izany indray, dia lasana manjono,
Misaka marakely na orana hatono,
Ery an-doha riana, ka loza indraindray
Fa tompondrano lava ny orana voaray !
Rehefa hariva ny andro izay vao lasa mody,
Miaraka amin'ny omby, ny arosy mbamin'ny fody,
Fahiny fahazaza raha tany ambanivohitra,
Ka niara-nikarenjy tamin'ny fody sy sorohitra.
Jean-Jacques RABEMILA
--------
Lien:
Commentaires
patrickmjk
(
28/05/2022 07:53)
Mba fangatahana ny mba ampidirana azy ho azo hohainoana.
hery
(
14/06/2022 19:14)
Efa ao 😊
patrickmjk
(
27/06/2022 04:10)
Mankasitraka e! Misaotra