Arindriko ny foko (TM)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ireo fotoana niainako ny haizina noho ianao ry tiakoNosembaninao rahona matevina ny anjara fifaliako
Dia tsy nosaininao ny mety ho voka-dratsin'ilay fitiavan-tena
Nanitsahinao tsy nisy hantra akory ny foko nanantena
Tsy tahotra, tsy henatra, toa zaza diso hanta
Tsy mba nanaiky diso, ny anao ihany no marina
Niraviravy tanana sy nanao tery vay manta
Mba handavoana ahy ilay mila tsy ho tafarina
Izato endrikao, moa va tsy anjely kely mahay mipitrapitra
Dia roboka aho nanaraka, tsy nisalasala na dia iray minitra
Nandefitra, nangina, nanindry fo, nijaly noho ny hetraketrakao
Toa tiana, toa tsy tiana, tsy nisy zava-matotra fa zary kilalao
Mivavaka mangina aho ny hanadino anao
Mba hiova ho fifaliana ireo sento sy toloko
Mangataka isan'andro hahazo hery vao
Handrindrina ny foko
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana