SAFOSAFO (Josefa Ràjaonah)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Izao no alim-pitahianaizay mandrakotra ny tany;
matokia, ry zandry tiana,
fa ny foko eto ihany,
Safosafo, matoria
izany silaky ny aina;
safosafo matokia
fa ny foko sy ny saina,
solon'ondana vilaory,
hiondanan-jandry tiana,
ampy hanala ny mahory,
hifarana, hitokiana.
Safosafo, matoria
izany zandriko malala;
safosafo matokia
zovy moa ny mahalala
fa ny rakitry ny foko
mifamatotra amin'aina
tsy mahay miova loko
velona ao hotantaraina.
--------
Lien:
Catégorie :
Fitiavana