FAHATSIAROVANA AN'I DADA (Jupria)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza ampionononao ny saiko
Sao hivadika hafaliana
Ny sentosentom-pahoriana
Holanjain'ity foko
Sao hiova ny toloko
Mampirotsa-dranomaso
Tao anatin'ny ankaso
Mampikaikona ny aiko

Enga anie mba tsy ho voafafa
Ato anaty foko ato
Ny fahoria-mitafotafo
Ka ho eo ny fahatsiarovana
Mampahatsiahy ny salovana
Mampirotsaka tomany
Hitadidiako fa any ho any
Ilay fiarahako mitafa

Avelao aho mba ho irery
F'aza avela ho very dia
Sao very eo ity
Ratra-po mangirifiry
Mampidaboka ny kiry
Anaty haizin'ity alina
Avelao ny sento lalina
Hampisokatra ny fery

Aza omenao fifaliana
Sao hiova ka hanjary
Zavozavona sy sary
Ny alaheloko mafaitra
Sao hibitaka sy taitra
Ny hafaliana ato anatiko
Fa mangidy sy tsy tantiko
Raha ny lasa no mangina

Aza asianao tabataba
Na mozika mampandihy
Sao hikalo ny fitia
Ka ho foana ny alahelo
Fa ny fo mamelovelo
Fo maratra sy torovana
No hampisy fahatsiarovana
Fahatsiarovana an'i Dada
--------
Lien:
Catégorie : Fahatsiarovana
3355 1
Fans: Jupria
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Jupria
Inséré par : Jupria
Date : 18/12/2010 18:00
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129