Fa mamiko.. (kanto sarobidy)

Lu par ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa ny tokim- pitia izay nomeko anao
sy ireo zay fitiavana mamy tsy ritra
dia toky azo antoka,dina vaovao..
ka ampy anamafy ny fo tsy hitriatra..

ireo tanjona tiako ho tratrany hatrany
dia ny anilanao n'aiza n'aiza aleha
fa rako-pitia, haravoan-tsesilany
mamaky ny havoana ny fo tsy ho re

mampisaina ny aizina anatin'ny tsiky..
mitondra ny fo tsy hivadim- pitia..
ka na inona jefon'ny sento mikiky..
dia iombonako foana ny didy satria...

..mamy tsy foiko raha ny anilanao
hitoerako foana na mamy-mangidy
ka hajaiko ny dina sy voady natao
..f'ianao no fitiavako anjara-safidy...
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy - Fitiavana
1483 1
Fans: kanto01
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : kanto sarobidy
Inséré par : kanto01
Date : 31/08/2017 18:52
Lectures
Lu par ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0121