Ankamantatra? (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa iza moa ianao,no sahy mianika ny avo Miezaka manintona ny jerin'ito foko
Iza mba lazao,moa hitondra ravoravo
Sa kosa re miery, lavitr'ito fo toloko
Tsy azo vinaniana ny mety ho tanjonao
Tsy takatrin'ny saina ny irakao sahanina
Toa rako-pifalina sy mitondra hery vao
ilay kalonao kaloina, heverina mahafanina
Mba iza marina aza,ary inona no antony
Fisian'ity mpikalo iray izay mambabo fo
Miventso sy mihira ka milanto éry ny kantony
Toa manambara foana ny hoe"tena tia tokoa"
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy