Any ampoko any.. (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vahatr'ifaharany ny sentonao ry aiko..ny toerana ato ampoko..
Sehatra andalovany,miraikitra ato an-tsaiko
ny alahelo maro loko..
Toerana sy ankany tsy mandao anao n'oviana
ny fitiavana ato am-poko..
Fa haron'ny fonao tsy ho azom-pahakiviana
na ireo setran'ny toloko..
Fo mitia anao,tsy hanam-pahataperana
ny any am-poko any..
Fa rako-teny mamy sy angolam-pandeferana
mandrapialako eto an-tany..
--------
Lien: