Fo mikiry (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fony mbola tsisy ny iraka nataoNo efa ianao niteny ary ko nanafatra
Nilaza fa tsy mora tsy toy izay fanao
Ny hanarina ny fony ketraka sy sasatra
Raha nihevitra fa mora ny haka izato fony
hambabo ampahatsorana ny fo tsy misy fitaka
ka nanam-paniriana fa hitsimoka sy hamony
ireo toky izay omena,fitia miampy sitraka
fa mamiko ny fony..
alako ny alahelony..
izay nandratra azy..
tsy hiverina intsony..
ny jaly sy ny sentony..
ho fitia tsy vazivazy..
--------
Lien: