Ny Fo sy saina.. (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maditra ialahy ry fo,mikiry tsy mba laitraMiaritra sy miafy ny mangidy sy mafaitra
Tsy mba mahalala hononona ny hita efa tsy tia
Sa mbola manantena valin-teny ianao satria....
f'izy mbola tsy nilaza..
fa nanao fitiavan-jaza...
Maditra ianao ry saina,tsy mety manadino
Ny zavatra efa hita tsy ho toa fa mbola mino
Mikiry anaty hatrany,manjohy tsy mety miala
Miara miombom-po amin'ity fo adaladala
zay mbola manantena..
tsy atao an-katerena..
Tsy laitra loatra lahy ny fitiavan'izy roa
Fa maditra tsy hay tenenina ity saina sy ny fo
Miandry ,manantena ny fahagagana hiseho
Na taona firifiry hono zareo tsy mba ho leo..
fa mbola misy kiry..
tsy maty fa mitsiry..
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy - Fitiavana
Fans:
kanto01