Ny setrasetranao.. (kanto sarobidy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Noratrainao sahady,ny fony raha nitiaVao namindra tokana tamin'ny fitiavana
Nodinao tsy tsaroina ireo tokinao doria
Fa norakofanao izany aizin'ny fandavana
Eny,
sitrapony ny azy,ny hitia hampanajana
Ilay fonao noheverina fa rakotra fitia
Nitia tsy nisy fitaka ,tsy nisy fankahalana
Fa kosa ny fony dia voaratranao nania
Betsaka ireo toky,izay nomenao azy
Tsy vitsy koa ny teny sy ny angolam-pitia
Fa hay fanababoana natao kivazivazy
Mba hakana ny fony izay marefony satria...
Babonao ny fony ,nanaiky anao ho tiana
Nanaraka ny fonao n'aiza misy anao
Nisaina raha nizotra ireo tanjom-paniriana
Fa tokana ny fony ,ho anao tsy ho kilalao....
--------
Lien:
Fans:
Hantafitia