TSY ADALA,TSY AKORY..... (Klavious)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy ireo milaza
F'ireo filôzôfa dia olona adala
Ka nefa jiro mpanazava
Ilay manam-piniavana hahalala

Dia ambara ombeny,ombeny
Fa adala hono izy ireny
Nefa mamoha ny fanahy matory
Fa tsy hoe adala,tsy akory

Hirahiraina etsy sy eroa
Hoe:adala ny mpanao filôzôfia
Esoina,tsy asina dikany ihany koa
Omena solon'anarana "ondry nania"

Diso anefa izany
Tsy adala,tsy akory
Fa ny fahalalana no ambony

Izay mampisandratra ny ara-môraly
Mamaha ny geja,manafaka jaly
Eny e!tsy adala tsy akory.

Fa olona te-hanohitra tsindri-hazolena
Izay ampiharin'ny be sandry mpikatsaka harena.
Ka indrisy mamitaka ireo mavo lamba
Hirinay filôzôfa ny hampahiratra jamba

Ka hampiseho mibaribary
Ho fantatry ny be sy ny maro
F'izy ireo tsy adala,tsy akory
Fa hiady handresy ny malo

Eto aho dia manamafy
Fa mila anay ny fiaraha-monina
Miandry anay ny fandrosoam-pirenena
Na eto mada io na any an-dafy

Ka tsy hifandrafy
Fa hiezaka hifanampy
Mba ho filôzôfa miray
Ho fanilo mpanazava rahatrizay
Fa tsy olona adala,tsy akory
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
255 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Klavious
Nampiditra : Klavious
Daty : 21/03/2023 19:13
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0102