Fitiavana voafonja (Kolo Aina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Zary hirifiry izato ianao eo anilako
Toa lefona manindrona, mandrotika ity foko
Ny tananao manafo, ny molotrao ry silako
Ny sandrinao fiakiko, miteraka toloko


Satria tiako ianao, nefa asa re indrisy
Fa aorian’izao, dia fotoana manao ahoana
No hihaonantsika indray? impiry toa tsy misy
Hangaina ny fanahiko, ny tsikiko ho moana

An-taroby sisa , no kalom-pitiavako
Mihaino anao ny foko, vao maika sentosento
Tsy afaka manoatra, fa ny tsiky eo am-bavako
No manarona ny ratra, toloko tsy ho eto.

Aiko ianao sombiniaina, aiko manontolo
Ny sakana tamboho, ny manodidina mamefy
Raha hamoy aho, dia ho foana ny tontolo
Fitiavako miaina, hovonoina ka ho resy

Aleo hihafy, ato anaty fonjam-pitiavako
Ny tananao mamihina, na dia iray minitra monja
Ekeko ho hasambarako, eo akaikinao rahavako
Diavolam-penomanana, toa rivotra manonja .

Tiako ianao, eny tiako tsisy tambiny
Ka sitrako daholo, ny zotra izay kinendry
Satria inoako fa feno fa tsy ambinambiny
Ilay iray minitratsika, fandaharana voatendry


Kolo Aina.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
853 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Kolo Aina
Inséré par : koloaina
Date : 21/04/2010 12:12
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133