Tena tia (Lëė Dähf'®)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Na maraina mamanala
Tsy mety mampiala
Tsy mba mahsakana
Ilay tena fitiavana



Na hain'andro mipoaka
Ny tena tia tsy mitsoaka
Fa vonona hatrany
Hikatsaka ilay mamy



Na dia efa alim-be
Mbola eo ihany anie
Mitaratra hazavana
Ilay fitia tsy lany zara


Na an-kafaliana eo ihany
Izany no mpifankatia
Na tsiky koa na tomany
Dia tsy mifanary,
F'izany no tena tia
Miaraka miriaria

Lëė Dähf'®
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1100 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Lëė Dähf'®
Inséré par : fitahianaandriamalala04
Date : 21/05/2017 16:14
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014