Raozy namelana (Lëė Dähf'®)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eny,ry zazavavy nambabo fo
Ry Zazavavy nampiherika loha
Zazavavy tena tsotra koa
Zazavavy kanto tokoa
Zazavavy nampitopy ny maso
Zazavavy nitondra ankaso
Tsy mba ankaso ratsy na koa mosavy
F'ilay fitia an'lay zazavavy
Satriko hibanjina azy foana ny ho avy
Matotra koa raha samy vehivavy
Tsy mbola niresaka na koa nitafa
Fa tsiky kely malefaka dia ampy hamafa
Ireo sorisory zary nandrera-tsaina
Izy no fanafana,izy no aina
Manam-panahy sy tia vavaka
Manaja olona,tena miavaka
Maontina koa,bika voaravaka
Tsy mba niavona,tsy mba nanavaka
Ilay hery tsy hay tohaina,mipololotra ao anaty
No zary afo nandoro,nirehitra tsy maty
Tsy inona akory,fa ny fitempon'ny fo
Ilay hany nitahiry,diary tena soa
Izay tsy diarin'alahelo,na diarin'ny tomany
F'ireo namerovero,no ventsoiko hatrany


F.N.ANDRIAMALALA
13/11/17
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
930 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Lëė Dähf'®
Inséré par : fitahianaandriamalala04
Date : 19/11/2017 18:51
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153