Commentaire à propos de Halatra

Revenir à Halatra
hery ( 09/02/2006 12:32)
Ny voankazo eny antsahan'olona toa mamy kokoa noho ny voankazo ao amin'ny sahan'ny tena
bichette ( 15/02/2006 06:41)
oadray marina !!!!! zany ve ry hery ? tsara aloha lay tononkalo e
hery ( 23/02/2006 17:18)
bichette> ho hitanao izany rehefa mamboly ianao :-)
raozigasy ( 24/02/2006 12:18)
VOANKAZO AN-TSAHAN’OLONA

Voankazo an-tsahan’olona
Voankazo voarara
Tiana hatao tsikoninkonina
Mahate-hikarakara

Voankazo tsara fefy
Voankazo tsara vala
Toa manosika manesy
Mahate-haka sy hangala

Voankazo misy tompony
Voankazo tsara ambina
Nefa manantena potiny
Sady manantena ambiny

Ekeko maro ny voankazo
Misy tsiro isan-karazany
Kanefa ianao mihazohazo
Io ihany no tianao hotazana

Ekeko misy ny azo asolo
Izay tsirony tadiavinao
F’io ny anao no ilay tontolo
Tena efa andrasanao

Ka mahareta miandrasa
Izay no hafatro ho anao
Niandry koa aho fa tsy lasa
Raha teo amin’ny toeranao

endrika01 ( 19/08/2009 07:32)
Lalina ilay fitiavana an,ny any hafa foana no heverina ho mamy,ny any tena anefa mety ho mamy lavitra raha nampiana fikolokoloana! ;-)
Mysento ( 19/08/2009 13:21)
Samy manana ny tiany io.
rhina ( 24/08/2009 11:31)
nareo kosa zany d sahy mangalatra e!!!
fahotana ne ny mangalatra e!!!!
hiiii!!!
fa tsara le tonokalo kan mahereza e!!!
Ajouter un commentaire
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0099