Commentaire à propos de Taratasy ho anao!!
Revenir à Taratasy ho anao!!
lolash (
15/10/2010 10:39)
HO an ' ny Malala
Voaraiko androany ny taratasinao, saingy hitomanin' alahelo ve aho sa hiventsom-pahasambarana ?, NAMPIONONA IZANY nefa ihany koa nampatsiahy ahy fa ianao tsy eto anilako. Misaotra ihany tsy nanadino fa mbola namerina eto ireo herin' ny fitia namatotra antsika, ory aho lavitra ireo bitsi-pitiavana fanolotrao ny foko nefa manantena ihany koa fa ho safononok' hasambarana ilay fihaonana atsy ho atsy.
adala hono zay tia nefa tiako loatra ity fahadalàko, tiako satria mitondra fifaliana na dia misarim-pahoriana aza. lay fitiavako mitafy ny endrikin' ny aretina mamparary ny aiko manontolo , dia aretina tsy tiako ho sitranina satria raha tsy izany tsy ho henoko ny halebiazan ny fitiavako anao.
Malaina tokoa aho ny hametraka ny veloma mandram-pihaona ,saingy moa ve misy teny tena ampy hilazàko fa tsy andriko intsony izay ihaonantsika ?.
VELOMA INDRINDRA ZANY HAVAKO !.
Ilay miandry ampaharetana.
MALALANAO
Amour!!!
j ai bien reçu ta lettre , mais je ne sais pas si je devais pleurer de chagrin ou chanter l' amour .Cette lettre m' as permis de ne pas oublier la force de cette amour qui nous unis et pour ça je te remercie.je souffre car mon coeur cherche les douces melodie que tu lui chante souvent, pourtant ça ne m' empeche pas de penser au jour ou nous serons enfin reunis.
On dit souvent a ceux qui sont amoureux q' ils sont fou, mais moi j' aime cette folie,une folie accompagner de tristesse mais qui m apaise en meme temps . Mon amour pour toi me met dans une énorme douleur ,une douleur que je n' ai pas envie de guerrir car sans cela j' ai peur de ne pas sentir combien JE T'AIME.
Te dire a bientot me fait mal,mais existe t-il un mot suffisant pour t ' exprimer combien j ai hate de te revoir.
Aurevoir ma tres chère
Celui qui t 'attend avec patience.
TON AMOUR

hasiniony (
02/09/2011 18:25)
Salama angamba ianao, ny aty koa tsy farofy ...
Ny vaovao tsy misy; saingy manan-teny sy fefifefiloha voatemitra fitiavana ny foko sy ny anao ka mifanindrimandry. Ny elanelan-tany, eny... voalaza ombieny ombieny fa poizina mafonja mpifofo ny fitia voarary elanelana; kanefa izao tsaroako ry 'lay amberivatriko maniry samirery an-tany karakarina, izay mila tondratondraka sy zeziky ny foko mitroatra te-hamelana ho anao samirery! Sanatria tokoa ry lala ... ny aty tsy tady mahazaka tokana an-tanana ka sady ho henjanin'ny omby no ho sintonin'ny olona; fa tokam-po ohatry ny zinga, ka tsy mahalala afa tsy ny siny; io ilay fitiavako mamolalilaly ny setrom-panantenana adonakao isanandro ka mahabongo maso ny foko tsy mijanonana; mpivatsy nofinofy sy sentosento lalina. Io ilay habakabaka 'zay nisy mba ho antsika kanefa malok'ila sy sembatsembandrahona anaty fikirizako mihary mba ho antsika!
Ka 'zao no ventsoventsoko:
Mitakosin-drahomainty izato lanitra eny ambony
Niha nanonja vetivety ny ranomasina izay tony
Fa ny fitiavako anao safononoka hatrany
Na dia tsy tsinjoko endrika any an-tany lavitra any
Niha nalazo vetivety iretsy vony an-jaridaina
Toa nanjary haizim-pito misandratr’andro vao maraina
Ny foko anefa sahy mivoady ary tsy miambakavaka
Fa ny fitia izay nodradrainy dia ianao no tompon-daka
Niha iva feo miandalana ny vazom-borona eny an’ala
Ny danik’andro mahamay nosoparan’ny fanala
Fa ny toky omeko anao dia ny ho mandra-maty
Ka soraty ho tadidy sy ho latsa-paka anaty
... ny setrasetranao ry tany tsy hamoizako ny tiako
Na ny ngidy, na tomany? hiaretako hiafiako
Izahay voasara-toerana tsy maninona fa tantiko
Fa raha sambatra izy any dia mba faly ny ato anatiko!

kiriah (
18/10/2011 13:45)
Malalako!
Sombi-nofy omaly alina no manosika ny foko hitaraina an-taratasy eto indray, ahoana re no fomba ilazàko etoana fa banga anao ny tontolon 'androko ?, eto foana aho tsy mitsaha manatsafa ny andro sy ny alina ndrao ambarany ahy zay fotoana hiaonantsika indray.Ireo akanjo nitahiry ny hanitrao aza mba manao zay ho afany hampionona ny foko , saingy indrisy.....