MBA MAMIKO !!! (Diavolana Sambatra)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba mamiko lahy,izanx trano izanyToa mamiratra sy tena mahafinaritra
Trano manelana ny lanitra sy tany
Ary trano iangonan'ny vahoakan'Andriamanitra
Trano fivavahana,sady fihaonana
Ary ankalazana ny famonjena ahy sy ianao
Fanaovana sorona,sorom-pisaorana
'lay Jesoa Kristy zanak'ondry vaovao
Tranom-pidarana ilay Andriamanitra
Iarahana amin'ireo Anjely any an-danitra
Miaraka amin'izy ireo midera sy mitafa
'lay Jesoa Kristy Zanak'ondry ny Paka
Tranom-pihobiana an'ilay Nahary
Fangatahim-pitahiana amin'i Tompo Zanahary
Ary trano masina
Itoeran'i Fanahy Masina
Mba mamiko lahy,izany trano izany
Trano mamotika sy mandrava fialonana
Eh!!! Toa paradisa eh!! tena paradisa an-tany
Tsy inona izany fa ny FIANGONANA
--------
Lien:
Catégorie :
fanazavana - Aingam-panahy