Tsy fantatro (malahelo anao)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahiny, mbola teo anivon'ny lalao
Mbola tsy nalala akory zany oe fitia
Na oe zany olon-2 mifankatia
namana , namana , namana
Izay ihany no tao an-tsaina
Fa mbola tena tsy nahalala ilay teny hoe "lalaina"

Tampoka teo anefa toa indro olana iray
Tazako avy lavitra ao anivon'ny rehetra
Taitra aho , reko mafana ity fo kely
Inona ary izany ? toa mihamararirary tsikelikely

Noheveriko hoe izaho no tsy salama
Nefa ty vatako tsy manintsy tsy mafana
Refa dify anefa lay masonay zay nifanojo
Toa reko mihena ilay mangotsokotsoka ao am_poko

Nanomboka teo toa najary tsy nahita tory intsony
Ny alina ny ahy , ny maso no mikipy , ny vatana tsy matory
Mieritreritra aho hoe: misy olona anihoany
Ka ny manahirana ahy de hoe: " hifanena ndray ve zahay androany "

Tazako fona tokoa izy taty aorina
Tsy izaho irery ihany anefa ,
fa na izy koa variana
Varina mijery ahy ;

Satriko ny ahita azy fona
Na mikipy aza aho , toa hitako ao
Ilay endriny sariaka
Tsy maintsy hitady hevitra aho rahampitso hiresahantsika.

Izany ve ilay hoe "TIA" ?
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1472 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : malahelo anao
Inséré par : toliara
Date : 11/12/2008 09:17
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.015