izay angaha no anjarako? (mam'tsiadino)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mba nanana fitia nizarako ny hafaliana
Tao anatin'ny tantarako
Fa toa tomany lava sy mangina
Izay angamba no anjarako

Na diamisy n olo_tiko noheveriko ho tia
Ka nizarako izay nananako
Dia zava-poana ireo satria
Efa izany ve no anjarako?

Ianao ilay mba tiako nantenaiko ho ahy irery
Nefa indrisy fa nandao sy naniry ny hisaraka
Ka tsy haiko ny atao zaho angamba ilay hoe very?
Sa izay ve no anjarako?

Eny e! Fahorina sy fijaliana ihany
No natokana ho anjarako
Nefa zaho manantena hatrany
Fa hiova indray ny tantarako

Ka any andro any volana sy taona
Mbola ho avy ny anjarako ao afara
Fa izaho manantena foana foana
Fa izany ilay anjara tsara
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1364 3
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : mam'tsiadino
Inséré par : mam'tsiadino
Date : 19/05/2016 14:08
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137