Hoanao (Manahirana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...hoanao

foko nilaozana ireo nanome aina ahy
iray tam-po ,mitovy ra sy fanahy
ny fireneko ,tanin-drazako
nataoko ho anao ry malalako!

hoanao

no nandaozako,namoizako
ny fahazarako ,tsy notoizako
ireo namako,sakaizako
navelako ,nilaozako

hoanao

nanomezako ,zaza mahafatifaty
sy fiainana faly tsy miafiafy
tokantrano mamy hatrany
ho anao irery ihany

eny hoanao

ho anao ry fitiavako
nohekeko tsy nandavako
...elanelan-tany
fitiavako anao tsy ho lany

hoanao

ho anao ny fiainako
ianao no hitarainako
fahasambarako ,mpanomé hery
izaho hoanao , ho anao irery

13/11/10
manahirana
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
930 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Manahirana
Inséré par : Manahirana29
Date : 13/11/2010 19:39
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136