KEPOKA (Manantsoa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maloka aho omaly, maloka aho androany
Latsa_dranomaso hatramin'ny fo no mitomany.
Voadona ka narary; indrisy ry fitiavana!
Misetrasetra ianao sy mitondra sedra mazana
.
Izao vao tena tsapako ny tena fahalemeko.
Fahoriana foana ve no mba hiainako eto?
Ady ny mitia ary ady tena sarotra
Ny fahatsarana entinao toa mitondra aloka.
.
Izay nateraka hitsiky tsy hitsiky foana,
Ny fahoriana eto antany nofy raha ho foana.
Toa tsy ahazooana rariny ilay lahatra niandrasana
Mafy ny mitia ka aleo izaho ho any am_pasana.
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
584 1
Fans: Manantsoa sc
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Manantsoa
Inséré par : Manantsoa sc
Date : 07/09/2017 17:21
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0153