Dia Izany (Masoandro Manana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
... Efa betsak'ireo nosainiko,
anisan'izany ianao.
Isan'ny tsiambarateloko,
ny nanokam-pitia hoanao
...
Fa tsy ho tafaraka isika,
raha lalàn'ny tany sy lanitra.
Aleo ho ijanona eto tsy hiampita,
'lay fitia nokoboni-naharitra
...
Mety ho androm-pifaliako ny haitana anao,
nefa koa mampisy fahoriana fiainana iray,
mitsiky fa mijaly ny ao anatiko ao,
noho isika roa tsy iray finoana iray
...
Ka ho akatoko ny vavahadin'foko,
hidiako ato anaty tsy hisy hahalala.
Ianao mahay raha toa hadisoako
dia...lay fitiavako anao tsy maintsy voarara.
...
Voararan'ny any an-danitra
na ireny manodidina ireny,
Ho ratsy ny antsika raha hiaritra
zay ho vavan'olo_miteny
...
Ny ahy sy anao vita ihany
fa ny hafa no manaintaina,
Ny fiainantsika ho mamy
fa tsy hitsahatra ny hiferinaina
...
izay no izy fa lany ny vetso
dify ny oram-pitia hanoratako,
efa ontsa ny foko sy vaky sento
manomboka trotraka izany vatako
...
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
758 1
Fans: Masoandroko
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Masoandro Manana
Inséré par : Masoandroko
Date : 23/07/2016 16:38
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0139