Elanelan-taonantsika (Masoandro Manana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tia,Tia?Nefa toa misalasala
miandry kely hoy ianao.nampahalala!
Ny elanelan-taona no nahakivy izato ianao?
Ekeko!Misimisy ihany raha isaina izy ao

Ny tiako ampafantarina,indrindra fa ianao
tsy haitraitra sendra niarina lay fitia nomeko anao,
Fa raha ny taonantsika no hijerena ny fitiavana
ngamba izaho sy ianao tsy ho tafara-dalana

Fa aminao ny taona!Hiveloman'ny fitia?
Handrakitra ny hoavy hasambaran'ho doria?
Ho disoako angamba ianao,dia maereza mionona
fa fiangaviana ny ahy aza mbola miaraka amin'olona

Ny olona tsy hisaina izay ho eritreritrao
Ninoninona elanelana misy eo aminy aminao
Fa rehefa tia,dia tiany eny foana
tsy toy ny anao,lay mijery taona...
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
737 1
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Masoandro Manana
Inséré par : Masoandroko
Date : 21/07/2016 19:39
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143