EKEKO (Mbinintsoa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ekeko, eny tena ekeko
Ary tsy ho laviko akory
Fa ny Teninao ‘zay reko
Namonjy ahy tsy ho ory

Ekeko Ray ekeko, Ianao
no nanolo-tanana ahy
nanavotra ary nanavao
nanome ahy ny Fanahy

Ekeko, ekeko tsotr’izao
Fa tan-davaka lalina
aho no nosintominao
K’indro tafandry alina


Ekeko, eny ekeko doria
Fa novidianao lafo
‘zato tenako nania
Tsy ho kilan’ny afo

Ekeko, Tompo ekeko
Fa famonjena avy Aminao
Taorian’ny Fanekeko
No mbola maha-toy izao

Ekeko, ekeko tena ekeko
Eny, ka averiko indray
Fa ny hany fandreseko
Dia avy Aminao Ray

Mbinintsoa
Ambohijatovo
17/03/17
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka
972 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Mbinintsoa
Inséré par : Mbintsoa
Date : 13/10/2017 08:07
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014