Eny (Mbinintsoa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa ela no tsikaritro
Fijerinao mitory fitia
Saingy kosa tsy voafaritro
Hatraiza ny herin'izy ity



Ankehitriny moa niboraka
'Zay notehirizin'ny fo
Nijoro tsara fa tsy folaka
Fitia nifamaly tokoa


Nefa izao dia efa rava
Tantara sisa no nijanona
Eny, ny rahona hisava
No tokin'ny olom-banona


Tsy manan-jo hiaina
'Lay fitia anatintsika
Ny hoavy no hovisaina
Hanitsiana ny dina voadika
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
1291 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Mbinintsoa
Inséré par : mbinintsoa
Date : 08/10/2009 17:25
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139