Menatra (Mbinintsoa)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa kepoky ny jaly
Tsy mahita hazavana intsony
Vao miverina Aminao Ray
Fa rehefa injay ka faly
Ny saina sy fo tony
Ny mankalaza Anao tsy hay

Fo menatra no entinay Aminao
Diovy ka sasao ho Tempolinao

Ianao tsy mitana akory
Reo hetraketraka tsy an-kiato
Zay imasoana sy imatesanay
Fa mainka manala sorisory
Handrianay ivohon'ny vato
Ankehitriny menatra izahay



Mbinintsoa
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka - Fitiavana
1648 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Mbinintsoa
Inséré par : mbinintsoa
Date : 11/06/2010 13:46
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0132