Anio 'zaho hiteny (tsitola)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Za nitia no toa adala ka lazainao fa kanosa
za nitia tsy nisalasala fa dia nahoana kosa
sa za nitia no tsy nihevitra ndeha haneo ny ato am-poko
ka dia nitsahinao, lefy hatramin'ny ambom-poko.

angamba za nitia no tsy niahy tsy nihevitra
tsy namela 'zany fo 'ndeha hirintona na ho tezitra
tena tia anankam-po ka dia nangina tsy niteny
iza moa no nanampo fa anio za dia hiteny

tiako ianao ka holazaiko, 'lay amoizako ny aiko
tiako ianao ankalazaiko fa 'lay menaky ny aiko
tiako ianao ho ren'ny zao tontolo hatramin'ny vaza-mototra
ny fitiavako anao sanatria no hiety hivototra
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
108 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : tsitola
Inséré par : Ahytsitola
Date : 04/08/2011 19:31
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134