Malagasy mahaleo tena.... !! (Methode)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Malagasy mahaleo tena.... !!

Ry Malagasy maro, aman-tapitrisa, mponin’Iharana
Sokafy ny tsiaro, samia mamisavisa, oviana no nisantarana
Ny fahaleovan-tena, fiandrianam-pirenena, androm-pahafahana
Mahaleova, mahorena, tontolom-pandresena, tontolom-pahafahana

Enina amby roapolon’ny volana jona, taona enimpolo
Intelo ambinny folo niolana koa ny taona, arivo intsivi folo
Ireo aina nafoy, mety mihoatra ka angamba, nitakiana fahafahana
Ireo ilay nahafoy, ho martiry fanombohana, fitakiana fahafahana

Ny daty eo ambony, taona enimpolo no nambara eran-tany
Ho daty haneo ny zony, fotoana hamelom-bola Malagasy manan-tany
Manomboka androany, soraty ho tantara hoan’ny zanaka amam-para,
Mahaleo tena androany, nitsiky ny anjara, hoan’i Madagasikara

Manomboka amin’io ilay “aventure”, teny indramiko io
Ny tolona ifanampio, “serrer la ceinture”, mbola teny indramiko io
Tsy mora re ny afaka, fa mora ny solafaka, samia mandray anjara
Tsy mora resy, valaka, na mataho-tana-mihopaka, satria ho ratsy ny tantara

Nivadika ny andro, nandroso ny fotoana, niova koa ny taona
Nivadika fahandro, nanova ny filoha, mandroso ny fotoana
Demokrasia lamaody, io no ndeha hidirana, fa ahitana rirany
Kanefa dia lamaody, toa tena nanahirana, na ny filoha sahirany!

Navadika ny akanjo, nanova palitao, nanao “transition”
Navadika hanjohanjo, nanova kalitao, ndao mba hanavao!
Natao ny fifidianana, naongana ny ananana, malalaka (ny) safidy
Fa tao ny fifanolanana, naongana ranamana, tafakatra Radidy

Ovay ny pôlitika, rezima demôkratika, handeha handroso isika
Ovay koa ny sobika, lay teo toa nanalika, tsy maintsy handroso isika
Fa zary nofinofy, vao maika nikorosy, lay firenena efa mahantra
Fa zaho toa nanonofy, vao maika nakorosy, lay fiarenana efa mba tratra

Tonga saina ny olona, natao indray ny tolona, natao ny fifidianana
Fotoana ilaina ny olona manao ny ainy ho sorona, ka tao Ravalomanana
Dradraina eran’ny Nosy amin’ny fampielezam-peo: fampandrosoana haingana
Hajaina e, tsy fanosy, ny fampielezam-peo, mpanasoaso asa mivaingana

Dia hoy indray ny sasany, aleo indray tazanina raha tena olom-banona
Dia ho hita ny fiasany, jereo fa mila ho fanina, angamba efa hajanona
Fa maro ny mpanohana matoky fivoarana sy tanjona ifaharana
Na maro ny mpanohitra matahotra ihoarana eo amin’ny fivoarana

Ny ankamaroan’ny olona, toa miandry fahagagana, manantena màna
Dia zary miolonolona, toa zary mpitan-damba, mampihena fikasàna
Rahoviana no handroso ty tanintsika ity raha mbola izany foana?
Rahoviana no hanolo ty toe-tsaintsika ity, rafotsy very laona ?

Izao ny ahy ny hevitro, raha te handroso isika, handao ny fahantrana
Ialao any ny hevitra , karazan-tetika ankaso hisisika hanohi-pitondrana
Atambaro ny hery, samia mandray anjara, aza misalasala
Raha maro dia hahery, sahia mandray anjara, fa aza mifanala

Mpianatra ianao? Fahaizana am’izao no birikinao ary anjaranao!
Mpiasa birao? Ny marina katsaho, ny hitsiny atao, ny tsolotra ialao
Mpamboly koa angamba, mpivarotra, mpanefy fitaovam-pamokarana
Mpiompy koa angamba, mpikaroka, mpanety? Manaova fivoarana

Raha tsorina ny resaka, fa be ny tsy voaresaka, sao lava ny tantara
Ry olona tia resaka, ka be tsy mbola niezaka, ndao handray anjara
Tsy misy miolonolona, na hoe mpitan-damba, mahay mandanjalanja
Tsy misy mialonalona, na hoa mpitsipa-damba, manaja ny saranga

Tsy rariny zareo raha very maina teo ny ran’ny maritiry
Ny rariny ekeo, ka ny hery sy aina omeo na dia amin-kirifiry
Hoentina hampandroso ‘ty tanintsika ity faingàna re sahia!
Hoentina hanasoa ‘ty fiainantsika ity, ho faingana ny dia.

Raha eo ny fahantrana tsy mbola tena eo ny fahaleovan-tena
Ka tsy eo ny fahagagana raha mbola tena tsy eo ny famehezan-tena
Ny firenena hafa, matoa mandroso, lasa, dia niasa sy nisasatra
Tsy noterena hiasa, na koa nanosika hafa , nilatsaka nitatatra!!

Ho anao izay mamaky, ho ahy izay manoratra, mba inona no hatao?
Ialao ny mitaky, avoahay izay tan-tsoroka, mba vonona ianao?
Fa ny faleovan-tena mitaky fandresena, mandroaka fahantrana
Ka ny fanetren-tena miampy fahendrena, mampivoatra ny tanàna

Mpanoratra: Methode
26 juin 2004
--------
Rohy:
2655 1
Hevitra mandeha
bichette ( 28/06/2004 07:31)
manja e ! tohizo hatrany !!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Methode
Nampiditra : methode
Daty : 27/06/2004 19:02
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0094