RANO RARAKA Raha omena lo (Miisa03)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANO RARAKA
Raha omena lohateny ny tantarantsika roa,dia ataoko hoe:"rano raraka"
Mantsy na ny saina,na ny fo dia efa samy tena valaka
Fa tsy mazaka sedra sy rivotra mahery ka avy dia rava
Izany ve 'lay fitiavana tsy anjara sa ny saina mihitsy no mbola samy tena zaza?
.
Dia raha hiarahana mijery ny horonantsarintsika ?
Dia mazava be sy hita f'ianao 'lay mpilalao ratsiratsy saina
ka ho azon'ny mpijery ny ho mety ho tohitohin'ny tantara fa(...)fitia tsimaintsy ho ritra
Ka na aza ianao hiangavy sy hitaraina,
Rehefa vita aky dia vita a!
.
Fa toy ny rano an-tsiny nampitondraina zaza ny fitiavantsika roa
Ka tapitra very sy ritra teny teny an-dalana
Ka rariny ihany ho'aho raha nizara ho roa ny fo eh!
Mantsy samy be di-doha ka voatery nisara-dalana vao tojo ny sampanana !


--------------MiIsa Telo (N.V.N)
--------
Lien:
Catégorie : Fisarahana
530 1
Fans: miisa03
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Miisa03
Inséré par : miisa03
Date : 04/05/2017 07:46
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013