ANJARA (Miothyfifaliana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha tojo ny mafy tsy laitram-panidy
tandremo mihafy fa hoe vita hidy
fa miezaha hioitra hiarina amin'izany
manàna fanoitra atsaharo ny tomany

ekena tokoa fa izany no anjara
nefa tsy mahasoa ny mianki-tarara
herezo ny finoana ary koa matokia
fa ny hery tsy ho foana na ho very sanatria

fa lalan-ko diavina izany anjara
tsy sanatriavina na ratsy na tsara
koa dia mionona raha tsy afaka hiady
tandremo sao hirona handrongam-bavahady
--------
Lien:
Catégorie : fiainana
827 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Miothyfifaliana
Inséré par : kasa
Date : 15/11/2013 13:27
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136