I Neny (Jior17)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vehivavy fiangotianaMamy sady fitosiana
Ilay nampianatra niteny
Io no antsoiko hoe i Neny
Ilay mibedy anao tsy sasatra
Manorotoro sy mananatra
Tsy mba reraka miteny
Tsy iza akory fa i Neny
Vehivavy tsotra fiainana
Ilay mba hany fitarainana
Raha sendra miady irery
Dia izy no mankahery
Tonpo ô! Tahio ilay tokako iny
Amin'ny asa izay ataony, sy ireo tanjona irîny
Tahio ihany koa mba ho ela velona izy
Mba ho fialofana sy ho ampinganay ankizy.
i Neny...
23/04/2026
_________
--------
Lien:
Fans:
Jior17
