NY FITIAVAKO (MOUSTOIFA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY FITIAVAKO

Misy hery ao anaty
Te hidradradradra mafy
Zay efa ela no tsy tanty
Na dia niezaky ny niafy

Tsy fantatro hoe avy aiza
Sa avy any an’habakabaka
Fa na mankaiza na mankaiza
Dia lay feo manako hatrany.

Mavesa-danja tsy hay resena
Ka mahatrotraka ny foko;
Miboiboika tsy hay fefena
Mivaivy; mena loko!

Sa izany ilay fitiavana
Dia ny fitiavako anao!
Meredareda tena goavana
Ka zaraiko ho ahy sy ianao.

Tokana ary tsy hay tohaina
Ny ranomasina sa ny habakabaka;
Ngeza loatra izy sombinaina
Ka raiso ho anao ny fitiavako!
06-06-09

Moustoifa
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1131 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : MOUSTOIFA
Inséré par : masolavitra
Date : 26/08/2011 07:32
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129