MANDAKO (Mpinamana nifankatia)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ditra sa adalana
Sa mety hoe fankam-panahy tsy tana?
Fa nanjary niova dika lay isika hoe
Mpinamana tany am-piandohana.

Oroka mpinamana sa oro-pitiavana
Lay nifampizarana raha iny nifandao?
Sa sarin'ny adalana tsy natao imason-kavana
No nandrisika antsika hifamatotra toy izao?

Fa toa mamy sady fy ery
Ny mitoetra anilan-dry amin'ny ora-pifaliana
Ny foko tsy mahasaraka
Ny tongotro malaina 'ndeha hamonjy ny fodiana.
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana - Aingam-panahy - Fitiavana
91 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Mpinamana nifankatia
Inséré par : RwodyN
Date : 16/09/2024 20:00
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.013