Tsy vitan’ny vava be (16-02-2021 18:10) (Nambinina Evariste)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tototry ny fitia anga Ramahatalanjona
No jere-mikipikipy
Kopahin-tanana mangaringarika
Tsy zakan’ny farihy itsony anga ny ony
No mitady vato eran’ny lalana
Sa efa mby an-tafotrano ny azo
No asesika hivoaka ny miditra
Sao lahy mihevi-tena ho manana ny mahavita taona
Nefa ny azo zara raha vonji-poritra ihany
Na koa mihevitra ho tompon’ny laka
Nefa hazo amoron-tevana
Dinidiniky ny tsy misy atao re ny ahy
Mahita kely fa tsy mahita be
Ary fofompofon’ny te-hahazo
Ka mapanatena ny ho avy mamiratra
No sady mandavo ny efa tonga nanangana
Ny viavy soa hono tsy vadin’ny kamo
Ny viavy tsara tsy ho an’ny mazoto irery
Fa samy nomena ny tandrify azy hono ny tsirairay
Ka sady afaka maka no afa-mandray.

Tia jerijery sy tia dinidinika tokoa ianao andrematoa
Ka nahavaka ny tapina sy tsentsina
Amin’ny haingo
Nefa toa mitady hizaozao
Ary mihevi-tena ho fatra-pandinika
Ka mody manetri-tena amin’ny teny malefaka
Ny lainga sy ny tehoderaina anie andrematoa
Mitondra ny tsirambin’ny tanany rehefa miditra
Fa mizaka ny tsy eran’ny ainy rehefa mivoaka e
Ka sao lahy hanenenana ny vava avoaka.
--------
Lien:
60 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Nambinina Evariste
Inséré par : Nambing
Date : 22/12/2025 05:41
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0143